Ny fahadiovam-po
Ny olombelona rehetra niaina teto an-tany tamin’ny andron’i Noa dia voalaza ao amin’ny baboly fa » Izay fisainana
rehetra avy ao amin’ny fony dia ratsy ihany mandritry ny andro ». Genesisy 6/5
Mbola mihaotra alavitra noho izany ny olona amin’izao vanim-potona misy antsika izao. Izany toem-po ratsy izany dia mahatonga an’Andriamanitra nandray fanampahan-kevitra handringana ny olombelona tamin’ny safodrano.
Fanilo sy Jiro.
Mandram-pihaviko tandremo ny famankian-teny, ny fananarana , ny fampianarana. ITimoty 4/13
Tsy nisy nahita maso an’i Jesosy isika fony izy tety ambonin’ny tany, fa ny teny izay nolazainy voarakitra ao anatin’ny baiboly kosa anefa dia ampy hinoana fa misy Izy, tsy maintsy ho tanteraka rehetra izay nolazainy. Ny mpanaradia azy dia antsoiny mba handinika sy hamaky, hanaraka sy handeha araka teniny. Voalazan’ i Jesosy fa feno aizina izao tontolo izao mila jiro sy fanilo ho fanazavana isika.
Salamo 119/105 Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.
Raha te- handroso amin’ny fahalalana ny sitrapony dia tokony tsy hanadino isan’andro ny famankian-teny, ny fananarana ary ny fampianarana. Didy no napetrany eto hoe « Tandremo ny Famakian-teny » , ny didy (Ordre) dia zavatra tsy maintsy atao tsy misy safidy. Na dia toko iray monja aza anefa tena zava-dehibe hoan’ny fanahintsika, koa aza atao tsirambina fa rehefa manome sakafo hoan’ny nofonao hianao dia tadidio koa fa noana ary mila sakafo ny fanahinao.
Ilaina ny fandinihana ny tenin’Andriamanitra. Miaro antsika amin’y làlana tsy izy sy ny fampianaran-diso. Mazotoa ary mamaky baiboly, ilay boky tsara indrindra.
P.R




















