Daily Archives: 29 janvier 2018

VAVAKA FIFADIAN-KANINA 21 andro . Ny 21 Fév h@ 14 Mars

Vavaka fifadian-kanin’i Daniela

( Daniela 10.1-2-3)

Manoloana izao ANDRO MAHORY  izao, izay miharatsy tokoa, dia araka ny voalazan’ny   II Tim 3 ;1-7, mba vakio anié ;

Izany rehetra izany anefa  dia tsy manova ny programan’Andriamanitra , dia ny Fiverenan’ i JESOSY  KRISTY tsy ho ela , haka izay nantsoina tamin’ny Anarany, ny Kristianina izany  , dia izay  vonona tsara, miady ny ady tsaran’ny finoana, maharesy ny fahavalo rehetra indrindra fa ity nofontsika ity , izay manohitra hatrany ka tsy manaiky hanao ny sitrapon’Andriamanitra . Ny  Apostoly Paoly  dia manana fijery hafa mihintsy raha ny mikasika ity momban’ny nofony : koa izany indrindra ry Havana malala , Mpihaino Radio no; anasanay anao .

I Korintiana 9-27  Fa  asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.  Ary dia sahy izy nilaza satria naharesy ny nofony  fa ;
2 Timoty 4 : 7 -8  Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’ izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’ izay rehetra tia ny fisehoany koa.
Mba tianao ve ny hahatanteraka izao fihazakazahana ataonao izao ?, ka sahy hilaza tahaka an’i Paoly koa ianao , ka hotehirizina ho anao ny satro-boninahitry ny Fahamarinana. Koa;

Miantso antsika rehetra indray hanao  » Vavaka sy Fifadian-kanina mandritra ny 21 andro, tsy mihinana afa-tsy ny (fruits et légumes) ary ny rano. Hanombo ny nofontsika , hanovo hery mba handray HOSOTRA vaovao hoentina manohy ny HAZAKAZAKA . Tsarovy ry havana fa izay maharitra hatramin’ny farany ihany no ho vonjena ; tsy izay  rehetra nanomboka akory…. fa izay maharitra hatramin’ny farany  Mat 24:13. Afaka miaraka mivavaka aminay amin’ny « conférence téléphone gratuite » ianao koa aza misalasala ny miantso anay raha mila fanazavana fanampiny .

Ry Havana , mila mivavaka be isika ,  fa io irery ihany no HERY LEHIBE hoan’ny kristianina ilaina eo amin’ny lafim-piainana rehetra.

Izay BE VAVAKA dia BE HERY   fa izay  KELY  VAVAKA  kosa  dia  KELY  HERY.